1. Wherefore laying aside all malice, and all guile, and hypocrisies, and envies, and all evil speakings,
1. Rejetant donc toute malice et toute ruse, la dissimulation, l`envie, et toute médisance,
1. Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2. As newborn babes, desire the sincere milk of the word, that ye may grow thereby:
2. désirez, comme des enfants nouveau-nés, le lait spirituel et pur, afin que par lui vous croissiez pour le salut,
2. Fa tahaka ny zazakely vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany,
3. If so be ye have tasted that the Lord is gracious.
3. si vous avez goûté que le Seigneur est bon.
3. "Raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo”;"
4. To whom coming, as unto a living stone, disallowed indeed of men, but chosen of God, and precious,
4. "Approchez-vous de lui, pierre vivante, rejetée par les hommes, mais choisie et précieuse devant Dieu;"
4. Izay hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona tokoa, fa voafidin’Andriamanitra sady soa,
5. Ye also, as lively stones, are built up a spiritual house, an holy priesthood, to offer up spiritual sacrifices, acceptable to God by Jesus Christ.
5. et vous-mêmes, comme des pierres vivantes, édifiez-vous pour former une maison spirituelle, un saint sacerdoce, afin d`offrir des victimes spirituelles, agréables à Dieu par Jésus Christ.
5. Ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
6. Wherefore also it is contained in the scripture, Behold, I lay in Sion a chief corner stone, elect, precious: and he that believeth on him shall not be confounded.
6. "Car il est dit dans l`Écriture: Voici, je mets en Sion une pierre angulaire, choisie, précieuse; Et celui qui croit en elle ne sera point confus."
6. "Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; ary izay mino Azy tsy ho menatra"
7. Unto you therefore which believe he is precious: but unto them which be disobedient, the stone which the builders disallowed, the same is made the head of the corner,
7. "L`honneur est donc pour vous, qui croyez. Mais, pour les incrédules, La pierre qu`ont rejetée ceux qui bâtissaient Est devenue la principale de l`angle, Et une pierre d`achoppement Et un rocher de scandale;"
7. Koa sarobidy Izy ho anareo izay mino, fa amin’ny tsy mankatò kosa: “ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro”
8. And a stone of stumbling, and a rock of offence, even to them which stumble at the word, being disobedient: whereunto also they were appointed.
8. ils s`y heurtent pour n`avoir pas cru à la parole, et c`est à cela qu`ils sont destinés.
8. "“Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka”; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ny teny izy sady izany koa no nanendrena azy."
9. But ye are a chosen generation, a royal priesthood, an holy nation, a peculiar people; that ye should shew forth the praises of him who hath called you out of darkness into his marvellous light:
9. Vous, au contraire, vous êtes une race élue, un sacerdoce royal, une nation sainte, un peuple acquis, afin que vous annonciez les vertus de celui qui vous a appelés des ténèbres à son admirable lumière,
9. "Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjakà-mpisorona, firenena masina”, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;"
10. Which in time past were not a people, but are now the people of God: which had not obtained mercy, but now have obtained mercy.
10. vous qui autrefois n`étiez pas un peuple, et qui maintenant êtes le peuple de Dieu, vous qui n`aviez pas obtenu miséricorde, et qui maintenant avez obtenu miséricorde.
10. "Dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo"
11. Dearly beloved, I beseech you as strangers and pilgrims, abstain from fleshly lusts, which war against the soul;
11. Bien-aimés, je vous exhorte, comme étrangers et voyageurs sur la terre, à vous abstenir des convoitises charnelles qui font la guerre à l`âme.
11. "Ry malala indrindra, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filàn’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny;"
12. Having your conversation honest among the Gentiles: that, whereas they speak against you as evildoers, they may by your good works, which they shall behold, glorify God in the day of visitation.
12. Ayez au milieu des païens une bonne conduite, afin que, là même où ils vous calomnient comme si vous étiez des malfaiteurs, ils remarquent vos bonnes oeuvres, et glorifient Dieu, au jour où il les visitera.
12. Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13. Submit yourselves to every ordinance of man for the Lord's sake: whether it be to the king, as supreme;
13. Soyez soumis, à cause du Seigneur, à toute autorité établie parmi les hommes, soit au roi comme souverain,
13. Ary noho ny Tompo, dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14. Or unto governors, as unto them that are sent by him for the punishment of evildoers, and for the praise of them that do well.
14. soit aux gouverneurs comme envoyés par lui pour punir les malfaiteurs et pour approuver les gens de bien.
14. Na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15. For so is the will of God, that with well doing ye may put to silence the ignorance of foolish men:
15. Car c`est la volonté de Dieu qu`en pratiquant le bien vous réduisiez au silence les hommes ignorants et insensés,
15. "Fa izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsy fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa;"
16. As free, and not using your liberty for a cloke of maliciousness, but as the servants of God.
16. étant libres, sans faire de la liberté un voile qui couvre la méchanceté, mais agissant comme des serviteurs de Dieu.
16. Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.
17. Honour all men. Love the brotherhood. Fear God. Honour the king.
17. "Honorez tout le monde; aimez les frères; craignez Dieu; honorez le roi."
17. Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18. Servants, be subject to your masters with all fear; not only to the good and gentle, but also to the froward.
18. Serviteurs, soyez soumis en toute crainte à vos maîtres, non seulement à ceux qui sont bons et doux, mais aussi à ceux qui sont d`un caractère difficile.
18. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany fa ny sarotiny koa.
19. For this is thankworthy, if a man for conscience toward God endure grief, suffering wrongfully.
19. Car c`est une grâce que de supporter des afflictions par motif de conscience envers Dieu, quand on souffre injustement.
19. Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra noho ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra.
20. For what glory is it, if, when ye be buffeted for your faults, ye shall take it patiently? but if, when ye do well, and suffer for it, ye take it patiently, this is acceptable with God.
20. En effet, quelle gloire y a-t-il à supporter de mauvais traitements pour avoir commis des fautes? Mais si vous supportez la souffrance lorsque vous faites ce qui est bien, c`est une grâce devant Dieu.
20. Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoanareo ianareo ka mandefitra amin’izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra.
21. For even hereunto were ye called: because Christ also suffered for us, leaving us an example, that ye should follow his steps:
21. Et c`est à cela que vous avez été appelés, parce que Christ aussi a souffert pour vous, vous laissant un exemple, afin que vous suiviez ses traces,
21. "Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly ho antsika ka namela fianarana ho antsika, mba hanarahanareo ny diany;"
22. Who did no sin, neither was guile found in his mouth:
22. "Lui qui n`a point commis de péché, Et dans la bouche duquel il ne s`est point trouvé de fraude;"
22. “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”
23. Who, when he was reviled, reviled not again; when he suffered, he threatened not; but committed himself to him that judgeth righteously:
23. "lui qui, injurié, ne rendait point d`injures, maltraité, ne faisait point de menaces, mais s`en remettait à celui qui juge justement;"
23. "Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly Izy, dia tsy mba nandrahona, fa nanolotra ny tenany ho amin’ilay mpitsara marina;"
24. Who his own self bare our sins in his own body on the tree, that we, being dead to sins, should live unto righteousness: by whose stripes ye were healed.
24. "lui qui a porté lui-même nos péchés en son corps sur le bois, afin que morts aux péchés nous vivions pour la justice; lui par les meurtrissures duquel vous avez été guéris."
24. "Ary nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo Izy, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo."
25. For ye were as sheep going astray; but are now returned unto the Shepherd and Bishop of your souls.
25. Car vous étiez comme des brebis errantes. Mais maintenant vous êtes retournés vers le pasteur et le gardien de vos âmes.
25. Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina anareo.